Ampidiro aloha ny tenimiafina
Tsy ampy (ANL MIKALO)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy ampy ilay fotoanaIzay iarahantska sy ianao
Toa zara fa mahita anao foana
No vetivety dia mandao
.
Tsy ampy ilay oroka iray
Fa tiako tsy hiala amin'ny molotrao
Ny molotro anankiray
Fa hitambatra iray izaho sy ianao
.
Mbola tena tsy ampy ilay fitia
Izay natolotrao ho ahy
Tiako hiseho fa tena tia
Mba hanesorako ny ahy
.
Tsy ampy ilay andro
Izay ihoanako aminao
Toa mora milentika ny masoandro
Dia ianao tsy maintsy mandao
--------
Lien:
