ALAHELO TSY MIALA (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsiaron'ilay Reny iray nandao ny zanany vao 10 volana monja...nangidy taminy loatra izany na dia efa dimy taona lasa aza ...tsy mety miala an-tsainy


Tsiaro tsy mety mangiana
Tamberin’ny lasa mipody
Mangidy raha Mbola olon-tiana
Vao kely dia lasana nody...

Ny feony manako eny foana
Toa Henon’ny aty fanahiny
Dimbiasan’ny taona sy taona
Voarongatra hatramy tsiahiny

Fa menaky ny ainy tsy foiny
Tsaroany lay fibadabadany
No efa tsy an-tanany intsony
Ka mila hampalemy ny vatany

Alahelo manjohy ny ao am-pony
Tomany no setrin’izany
An-taona vao mety hahatony
Ny tsiaro nanao sesilany

AORN
13 JANOARY 2008
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
116 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 28/03/2024 08:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141