FANJA SY MOZIKA (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tononkalo nantsaina ho an'i Fanja Andriamanantena, izay isan'ny andrarezina amin'ny mozika

Dimbiasanao ny hira
ireny tononkalo
toa vita tsy natao
ka nentinao nitety
izato lafivalo
nahatonga aina vao

Fa kanto koa raha kanto
lay lantom-peo miangola
arahanao mozika
Ny toniny mambabo
Lay rotsy mampidola
Feo manga tsy mipiaka

Fa Fanja Nofy koa
lay ainga nampiaina
Fanahy toa mpankafy
Ka any am-pon'ny maro
Voarakitra any anaty
Ny angolan'ny fitia

Mozika ka mozika
Toa fiainanao mihitsy
hatramy fahazaza
Dia ny hafa no hamita
zay 'tsy efa' mbola miandry
tsy mety lefy laza

AORN
16 APRILY 2025
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
67 1
Mpakafy: rina15
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0152