FASANA (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fasana voarafitra simenitra sy vato
Toera-mitahiry taolam-balo ho vovon-tany
Ao no iafarana rehefa tapitra sy miato
Lay vatana sy nofo nolalaina sesilany

Zovy no tsy setry rehefa mbola velon’aina
Tsy mahatsiaro akory fa mandalo ety ihany
Dia manao zay tiany, mampamelona taraina
Ny manodidina azy, ‘zay heveriny ho ambany

Fa ny fo sy saina, Mbola fasana ihany koa
Raha miotrika ao ny haratsiana manontolo
Mitahiry fotaka sy atsanga maro loha
Raha tsy mahay mamela dia ho fefika mololo

AORN
25 Janoary 2023
--------
Rohy:
Sokajy : Fananarana
74 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 01/03/2024 13:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0347