GASY HONO IALAHY (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Gasy hono ialah(y) ka gasy!
Gasy lay be manaiky
Tsy manana isafidianana
Mirona am'zay hananana
Ny Fanjakana manao ny ataony
Fa ialah(y) aza tsy tsaroany
Mivaro-tany am’reo karàna
Eo ialah(y) d’efa mihanahana
Ny taratasy efa vita avy any
Eo vao gaga mifanontany...
Hay ny resaka efa mandry
Zay ialah(y) vao manangan-tsandry
Raha vao mihetsika mba hiady
'Ndreo "Bebaoty" efa eo sahady

Gasy hono ialah(y) ka gasy!
Gasy be fandeferana
Tsy manana mokon-doha
Kanefa be hambom-po
Ny "Fahefana" tsy tan-dalàna
Zay mba "zo" nefa ity raràna
Dia tapahany tsotra 'zao
Ny herin’aratra any aminao
Hay ny tanjony raha jerena
Dia handetika ny an’ny tena
Te hamarotra ny an’ny hafa
Ka ny gasy no hatao mijafa
Saingy ialah(y) moa manaiky foana
Midingin-drambo ry "mamba noana"

Gasy hono ialah(y) ka gasy!
Toa gasy mitabataba
Tsy manana lazon’ady
Mora reraka raha mitady
Ny vahiny ‘zao no manjàka
Efa mihevitr(a) ho tompon-daka
D’io ialah(y) f’eny antsisi-tosy
Mila ho tola, mikororosy...
Izy indray no manao lalàna
Dia mamaritra ny tanàna
Rahoviana vao (ho) tonga saina?
Mifohaza! aza be taraina!
Mahasahia, aza havela hibanaka
Mila hongotana reo mpanjanaka

AORN
26 JONA 2024
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
195 1
Mpakafy: rina15
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.053