ILAY TIANA MIANGOLA (AORN)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny vatako toa volivolyFa niakatra ny tosi-dra
naheno lay feo toa miangoty
nandranitra ny aty fanahy
fa mainka vao tsy aritro koa
Seranan'ny molo-malefaka
lay ba an-takolako roa
Nalemy toa tsy afa-nihetsika
mba inona loatra ary ianao
no tiako tsy nisy alaharo
sa ody fitia vaovao
no ankafiziko anatin'ny maro
Ny foko va re no malemy
ka manaiky tsy miady toa tola
ny vavako tsy afa-niteny
fa sendran'ny tiana miangola
AORN
18 OKTOBRA 2017
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Mpakafy:
rina15
Hevitra mandeha
Mathes
(
15/04/2026 14:18)
Izay tia adala
rina15
(
15/04/2026 14:50)
loza mihitsy!!
