IREO POETA MALAGASY (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zovy moa izato ianao ry Poeta Malagasy
No tsy hiantsa sy hanamarika ity fiainana mandalo
Fa mipololotra avy ao ny Penina sy taratasy
Ka manoratra tsy miato zato drafi-tononkalo?

Voalazanao ombieny, ny sotasota tsy amin-drariny
Nosinganinao koa, ny alahelo sy ny tsiaro
Sahinao antsaina mihitsy, reo fahavalo sy ny tariny
Na mpitondra ireo na mpiavy, samy ratsy mifangaro

Ny Poeta tsy Poeta, raha tsy miavaka amy maro
Manan-kolazaina hatrany, tsy voafehin’ny fotoana
Na misaina noho ny hafa, saingy tsy afaka miaro
Reo tsy rariny efa miantra, na ireo ratsy manoloana

Ireo Poeta Malagasy, manana ny lazany avy
Samy sangany amy sorany, samy manana ny tiana
Fa ny zavatra iraisany: tsy misara-mianakavy
Satria izy miara-miaiky fa Malagasy iray fihaviana

AORN
19 JANOARY 2024
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
87 3
Mpakafy: Nikalo - Tandrify12 - rina15
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 27/03/2024 08:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154