LOZA SESILANY (AORN)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tranga niseho nandritra ny lanonana teny Ambohimalaza ka nahafatesana tanora maromaro tamin'ny alalan'ny sakafoFa loza ahoana loatra, ity mitranga ity
Fa he toa miapatrapatra reo nofo izay malia
Tanora maromaro nikasa ny hifaly
No ndray nandao ny tany sy niaritry ny jaly
Fa raha ny teto Iarivo, no tantaraina fohy
Ankizy nifanasa, niara-nifanjohy
Tsingerin-taona mantsy no antony niantsoana
Dia tonga ireo nasaina zay vonona nanoina
Somary lavidavitra miataka tanana
Lay toeram-pilanonana, toa meva mahatamana
Dia tonga moa ny lera, niroso ny lanonana
Fa tamy zany indrindra no nitranga zato olana
Karazana sakafo, efa vita karakara
No indro fa natolotra ka samy naka anjara
Kinanjo tampoka eo, dia nisy ireo narary
Dia tsy niandrasana ela, nahiditra hopitaly
Tsy iray tsy roa na telo, nitombo izato isa
Nihoaka sy nandoa, ny maso tsy nahita
Am-polony mahery no indreo miferotr’aina
Ka tena nampangovitra sy nampitaintaina
Natao ny fitsaboana, natao ny ala-nenina
fa betsaka no tsy ampy, tsy takona nafenina
Lay toeram-pitsaboana, izay an’ny fanjakana
Tsy manana fitaovana sy toera-pizahana
Fa tonga nifanesy ireto mpianakavy
Hijery ireo marary, izay manandrify ny azy
Ny hafa nisafoaka, ny sasany tomany
Kiakiaka no nameno, ny tao an-tokotany
Indrisy fa navoaka avy any an-dalantsara
Saronan-damba fotsy reo aina mitsirara
Reo zay nanatri-maso dia ontsa sy onena
Ny tompom-pahoriana toa tsy nahatsiaro tena
Fa nisy tam’ireo namoy ny ainy ireo
Mpiray tam-po sy mpianaka raha araka ny feo
Dia nisy reny iray, nandao izany zanany
Hanala fanadinana mba ho avin’ny taranany
Fa na izany aza, mahalasa saina ihany
Ny antony mahatonga reo loza sesilany
Iniana sa tsy nahy, na koa tsy fitandremana
Ka ny olona rehetra no tsy handry fahalemana?
Ary aiza sy mankaiza ireo tompom-pahefana
Natao mba haroriaka hampiatra ny lalana
Ny jiro tapatapaka izay fototry ny olana
No efa an-taona maro, tsy nisy vahaolana?
Meteza aloha hihaino, mahaiza koa mandalina
Fa miaina anaty aizana vahoaka an’alinalina
Mahaiza koa mamaritra laharam-pahamehana
Vahoaka aloha sahanina, fa aza dia potehana
AORN
17 JONA 2025
--------
Rohy:
Sokajy :
Alahelo