MIFANINGOTR'AINA (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa sambatra izy, d’zay no hasambarako
Mantsy efa mafy loatra ny fiainanay ety
Fa efa tsinjoko any ny lalan’ny tantarako
Tsy avela mba hisambatra ny hatsaran’ny fitia

Rehefa maloka izy, d’izaho no malahelo
Fa fantatro avy hatrany ny ratra avy ao am-pony
Ny angolangolan-tsentony, no injao mamelovelo
Sakanana tsy ho tia, salorana lonjony

Raha sendra ka tomany, marary koa ny foko
Tsy tantiny mihitsy ny sotasotam-piainana
Manjary latsa ho azy, reo eso maro loko
F’ireny no mitambatra ho zary fitarainana

Ny tsilo zay mandratra, mangoly ny fanahiko
Dia lasa ratra miafina, hanorim-paka lalina
Lay fatran’ny fitiavany Zay tsipika narahiko
Mifono mistery zay sarotra fantarina

AORN
27 Febroary 2024
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - Alahelo
77 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 27/02/2024 19:49
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1151