NY RANOMASO (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny ranomaso raha lazaina
dia singa iray tsy azo tanana
Na ezahina ho sakanana
Any am-ponao lalina any
Na mifaly na tomany….
Ka miraraka tsy iniana
Na tazomina hiafiana
Sy ezahina ho takonana
hanafenana ireo olana
Nosinedra tany ho any

Ny ranomaso raha fihinina
Mety haningotra any anaty
Ka hiova ho valifaty
Indrindra noho ny hatezerana
Zay tsy tana holeferina
Ka hivadika alahelo
raha tanana ho tsiambaratelo
Ka handratra sy handoaka
Atahorana hipoaka
Ka hamotika tsy ho tanty

AORN
17 MARTSA 2024
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
190 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 12/06/2024 09:32
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0213