NY TIANA REHEFA TIAVINA (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny tiana rehefa tiavina
Toa mampifilafila
fa rehefa odiana fanina
Mijery maso an’ila
Dia mihevitra ny tenany
Fa tena manjabe
Fa raha ny satriny aza
Mampierika mpandeha

Ny tiana rehefa tiavina
Dia toa manjakazaka
Raha toa tsy rarahiana
Dia indro tsy mahazaka
Angamba ny ao an-tsainy
Dia izy foana foana
No toavina sy hajaina
Tompoina eo anoloana

Ny tiana rehefa tiavina
Tsy menatra miteny
Sady eo imason’olona
No anaovany azy ireny
Indrindra moa ka misy
Lehilahy mahatara an’azy
Ianao tsy asiany sira
Ka tsemboka manavy

Ny tiana rehefa tiavina
Tsy hoe andriamanjaka
Ka aoka ianao hijoro
Fa tsy hiambakavaka
Odio ialana lavitra
Manaova be marenina
Fa izy ampitso ihany
Dia hotsakoin’ny nenina

AORN
23 JONA 2015
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
235 3
Mpakafy: hery - LEVASOKA - rina15
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 07/08/2024 08:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2471