RAORIHAVAMANANA (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Tsy levon'ny vavoniko
tsy eken'ny eritreritro
ny hahita anao hisongona
sy hiakatra amy dingan'ireo
hanampitrisa...
nahoana kosa moa
ianao zay niara-nihosona
sy niara-nilomano
tanaty tsy fisiana;
ianao zay niara-refona
sy niaraka niforitra
nandrango fitsitsiana,
no ho tafita tampoka?"...

dia toy izany hatrany
Ny saina sy ny toetra
hananan-tsika gasy
f'ireo zay mba misondrotra
sintonina tsy hiakatra
fa raha ny sitrapo
lavoina mba ho sasatra
Satria isika mihitsy
No ory hava-manana
Matetika aza moa
tsy raharahiana intsony
izany finamanana
ka hitadiavan-kevitra
mba hamongoran'aina
tsy misy fanavahana

Rahoviana vao tafarina?
Ny toetra aloha amboarina

AORN
23 APRILY 2021
--------
Rohy:
Sokajy : FIALONANA
35 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 26/12/2025 08:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0129