REHEFA EO I DADA (AORN)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa eo i dada
Dia feno tsy andrimbinana
Ny hafalian'ny zanaka
Satria tsaroana foana
Fa misy ray mpiaro
Tsy mahatsiaro lanaka

Rehefa eo i dada
Misinda ambony ihany
Ny adin-tsain'i neny
Satria tadidy hatrany
Fa dada no mamatsy
No sady henoin-teny

Rehefa eo i dada
Dia izy no mijoro
Ho lohan'ankohonana
Miatrika ny adidy
'Zay mafy sady sarotra
Mitady vahaolana

Rehefa eo i dada
Dia izy no manoro
'Reo zavatra tsy hay
Raha sendra ka mivoana
Tsy mihambahamba koa
Manitsy, manafay

Ka rehefa eo i dada....
D' izao no tonom-bavaka
Mivoaka avy ao anaty:
Ho lava andro iainana
Ka hotahian'ny Tompo
Ho lavitry ny ratsy!!

AORN _ 20.06.2020
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVAN-DRAY
164 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 12/12/2023 11:09
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146