RY FOKO... MITONIA!!! (AORN)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lay endrikao nitsiky
Tanaty ranon’orona
Namoha ny tato anatiko…
Dia kotsa koa ny foko
Nitempo anao mangiana
Ka nila tsy ho tantiko

Lay masonao baliaka
Mangataka fijery
Nambabo ny fitiavako…
Ny masoko tsy sahy
Nijery sy nibanjina
Fa resinao rahavako

Lay tananao nitsotra
Nanolotra arahaba
Toa nampangovitra ahy…
Ny tanako natolotro
Dia vahotra ny saiko
Toa faly… toa tsy sahy

Lay feonao miangola
Toa feo manambitamby
Mandrotsirotsy mamy…
Dia satry hihaino foana
Tsy hiala fa hiampify
Akaikinao hatrany

Ny foko ve no adala
Manaiky ambony ihany
Sa resy toa tsy niady?
Fa Mbola ankamantatra
Ny ampitso tsy hay fantarina
Dia babonao sahady
……Ry foko, mitonia!!!!
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
374 0
Hevitra mandeha
rina15 ( 13/03/2024 14:51)
Misaotra niantsa fa tafavoaka tsara!
ikalamako ( 13/03/2024 23:13)
ise no isaorana re a !
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : Rina15
Daty : 03/09/2022 01:41
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152