SORATY INDRAY ANDROANY (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Soraty indray androany
Fa any misy zaza
Tsy manan-dray sy reny
Toloko an-tsisin-dalana
Torovana irery
ka zoky no amaharana
Kanefa ito farany:
Tsy maintsy mba mikaroka
Zay eo am pelatanany
Manao zay asa tselika
Na amin’ny andro merika...
Karama taom-biriky
Fa tsy mahazo kivy...
Avy eo matsaka rano
Tetezina isan-trano...
Manosika sarety
Mba vola vetivety
Satria lay zandry tiana
Tsy azony ampiafiana
Fa farafaharatsiny
Mba tsy hangoaka ny atiny:
Mivimbina mangahazo
Dia samy mba mahazo
Na dia tsy mahavoky
Fa aleo tsy mandry fotsy
Fa ny alina ririnina
Tsy azo ho sakambinina
Kanefa tsisy lamba
Mba irakofany avy
Fa gony no tafiana
No sady atao fandriana
Satria an-tsisin-dalana
No azo ivalaparana

Soraty koa androany
Fa any misy Reny
Nilaozan’olon-tiana
Natao hizaka irery
Reo zanaka vao kely
ka tsy mahalala akory
Lay Ray zay nampahory
Satria moa ito farany
Dia sahy milokaloka
Hoe: tsy natao ho anjarany
Lay reny zay nisaorany...
Kanefa raha ny marina
Dia Mbola milalao
Fitia kindramindramina
Ka tsy mahalala intsony
Ny adidy iantsorohany
Ka vao Mahita vao
Dia indro fa nandao
Lay tokantrano kely...
ka rehefa mba miteny...
dia rahombava hatrany
Raha vao mba manontany
Ka tsisy fifandraisana
Fa mampitondra faisana
Lay Reny mitoloko
Tomany, fokofoko
Mizaka reto zanaka
tsy ahatsiaroana lanaka
Satria ireo sombinainy
dia tiany sy lalainy

AORN
06 MARTSA 2024
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
131 1
Mpakafy: rina15
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 18/06/2024 03:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1714