TAMBIN'OTA (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ho avy ny fotoana
hialana ety an-tany
moa ho vonona amy 'zany?
fa ho hadinina amintsika
tsy hisy avela tsy hisy adino
indrindra ho amintsika "mpino"
hoe inona no vitanao?
Nanoloana ireo tsy marina
sy ny tsara izay navarina?
Ho tsiahivina ihany koa
ny ratsy rehetra izay niniana
ka nampitondra fahoriana
ho an'ny havanao akaiky
na ny namanao taraiky...
Fa ankoatra izany moa,
mbola aseho miharihary
isika sahy nanompo sampy
tsy hoe tambony vatolampy
fa ilay sampy namamiana
dia ny vola sy ny harena
Miampy izay fitiavan-tena?

ka raha tonga izay fotoana
handaozanatsika izato tany
hifindra lasy am-parany any
Tsy hisy intsony ny ala-nenina
Tsy hisy takona hafenina
Fa habaribary kosa
reo zay nankamamy ny ota
dia halefa anaty memy
miampy fahoriana ombieny
tsy azo ialana fa iafiana
satria mazava ny lalàna...
tambin'ota: fijaliana

AORN
14 JONA 2021
--------
Rohy:
Sokajy : ANY ANKOATRA
58 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 31/12/2025 08:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0132