TSIARO MANDOAKA TRATRA (AORN)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nandalo teo izy androanyVinitra dia vinitra
Tsy hay hoe inona no antony
Fa iny masony iny
tsy nikipy kely akory
Nivandravandra tamiko
No sady te hiteny hoe:
"Lasa ianao mandeha..."
fa izaho nisaina kely
TSy avy hatrany dia nitroatra
Notoneko aloha ny foko
Mba tsy hiakatra handroatra
Teo aho vao nahatadidy
Hay ity toetranao ka biby
Ianao hay moa nandainga taminy
Nilaza hoe tsy manam-bady...
Fa nivadika ny taona
Io fa tratrany sahady
Ny rantsan-tananao havia
Miharihary misy peratra
Ny fony no avy dia nitselatra
dia nanontany anao izy
Moa ianao nilaza hoe
Izaho dia efa manan-tompo
Nahoana kosa moa izy
no tsy ho tezitra sy hiova loko?
Ianao nampanantena azy fa hanome sehatra
Hanangana tokantrano sy fiainam-baovao
hay ka loza sy atambo ity nafitsokao?
Tomany izy tam'izay...
Tsy hitany izay natao
Andalam-pamoizam-po
Vokatry ny vitanao
Tsy omeko tsiny velively
Satria sangy mihoatra ny loha
Fangolika raha samy olona
Lehilahy tsy misy fo
Fa raha ny sitrany ho faty
teo no ho eo dia teo no ho eo
Vehivavy izay mahatanty
Ny zava-nisy sy niseho
Ka aza omena tsiny izy
Raha vinitra dia vinitra
Ny anao vitan'ny mifona
Ny azy ny tareha nivoa-dinitra
Ianao anie mametraka dia lasa e
Fa izy no vesaran-datsa e
Ka andeha koa ianao misinda lavitra
Mandehana miondrana maharitra
Aza misaodisaody eto intsony koa
fa zaho efa epaka sy marary an-doha
Lasa ianao...lasa ianao...
Tsy mila hitako eto intsony
Lasa ianao....lasa ho'ah.....
AORN
09 SEPTAMBRA 2024
--------
Rohy:
Sokajy :
Alahelo
Mpakafy:
rina15