TSY AFAKA NANOATRA (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia vaka teo ny sainy
Niandry lay malalany
Nilaza fa nandeha
Namita irak’asa
Any an-Tanambe
Zay faritry Mangoro...

Omaly tolak’andro
No tonga tao aminy
Nilaza vaovao
Lay tovovavy namany…
Fa efa an’olon-kafa
Lay olona malalany

Vao tsy ela manko izay
Nilokaloka fatratra
Sy tena resy lahatra
Lay tiany zay tsy foiny
Fa amy taona ho avy
No hakariny ho vady

Dia kivy indray ny fony
Tsy te hiaina intsony
Ka ny any tao an-tsainy
Ny hanala izato ainy
Ho afa-pahoriana
tsy hisaina olon-tiana

Resy tena resy
Tsy afaka niarina
Na niezaka aok'zany
Nitraka teny ihany
Saingy mafy loatra
ka tsy afaka nanoatra

AORN
28 NOVAMBRA 2016
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
73 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 07/03/2024 10:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142