TSY HAY FARITANA (AORN)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy reko ny fidoboky ny fonao tamin'inyKa aza hasarotina na koa omena tsiny
tsy haiko ny mamaky ilay tontalin-kendrikao
Hoe volana tomefy sa koa raho-mitatao
Tsy azoko an-tsaina ilay fitiavana any anaty
Hoe midorehitr'afo sa tsilopy matimaty
Tsy sahiko faritana ny fetran'ny toloko
Zay any anatinao raha manoloana an'ito foko
Tsy hita falifaly nefa tsy miloa-bava
Fa malomalok'eny toa manjeny resy lava
Sa ringotry ny ankaso ka mitady hamoy fo
ny vatanao no lanaka fa miady koa ny loha
Tsy hitahita akory dia toa valaka ny saina
Kanefa olon'iza no hanafaka taraina
Dia lofika tanteraka tsy manana iantsapazana
Fa ny olona antenaina toa mandalo sy mitazana
Indrisy manirery tsy mba misy isafidianana
Fa sendra ny tontolo tsy ahitana fiadanana
izany ny eto an-tany raha mbola velon'aina
Tsy misy tena namana ka amboary zato saina
AORN
28 MAY 2012
--------
Rohy:
Sokajy :
Alahelo