TSY MISY HO ANTENAINY (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia ngoly indray ny fony
Fa toy ny vara-datsaka
No nahenoiny tatitra
Milaza fa lay tiany
zay nolalainy fatratra
lay efa mba niriany
No sahy namadika azy
Fa tanan’olon-kafa
No miazona ny sandriny
Mamihina azy mafy
D’izany lay tsy tantiny...
Lehilahy zay mpampirafy

Ny diariny efa konka
Zay feno sora-tanana
Sy daty maromaro
Voatery nosokafana
Tantara mifangaro
Tohizana soratana
Fa tena mafy loatra
Ny afitsoky ny sasany...
Ny tia tokoa no adala
F’ilay mba notiaviny
Minia tsy te hahalala
Manimba izato hoaviny

dia kepoka ny sainy
tsy misy ho antenainy

AORN
09 MAY 2016
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
80 1
Mpakafy: rina15
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 11/07/2024 15:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148