Maso mifanojo - arcane
Azo vakiana?
Malala
Angamba nifanojo
Ny masontsikaroa
Teny an-tsampanana
Fa tsapako nanonja
Hatrany anaty fo
lay tsikinao miharana
Satriko mihitsy
Ny hanome anarana
Ny endrikendrikao,
Saika hanolo tanana
Kanjo diso lalana
Fa nivily ianao,
Tsy fantatro indrisy
Ny anaranao...
Nofinofy sisa,
Tsiky mitamberina
Manitsy ny endrikao,
Sento miserana
No nahalalako iky
Fa tena tiako ianao.
Mihodina ny tany,
Mbola hifanena
Ny lalantsika roa,
Raha toa misy ihany
Fitia manantena
Ho anao koa
Aza avela hihena
Fa ho fenoiko izany
Hevitra mandeha
bichette (14/09/2004 16:38:04)
boribory ny tany, mbola hifanena...
arcane (14/09/2004 19:55:29)
Mombamomba
Mpanoratra : arcane
Nampiditra : arcaneDaty : 14/09/2004
Mpamangy : 1700
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Ny fitiaHo an'i malalako
Eritreritra
Kilalaon-teny
Raha...
Miandry
Hisy