Raha... - arcane
Azo vakiana?
Raha...
Raha hitako izy androany... dia hambarako aminy
Nefa raha hiteny, ndrao lazainy adala ?
Sa hanoratra any ? Mampisalasala...
Aleo Nofy ihany no hiantsoko ny anarany...
Tazany aho omaly, sendra tsy nijery
Tsiky no navaly ny kopakopan-tanany,
Toa manao veloma izato fiarahabany
Mihalavitra ahy hatrany, indro fa miery...
Raha hitako izy androany, handeha re hanontany
Sao misy anjara ho ahy any am-pony any...
Hitako izy androany, fa, izaho no tsy sahy...
Ny anio sy ny omaly ? andro iray sahala !
Tsy fantatrao ry tiana, ianao no Malala,
Anjaram-pitoniana, iriko mba ho ahy.
(2003)
Hevitra mandeha
arcane (14/07/2004 04:39:28)
Ho an'i admin.
Nandefa an'ilay tononakalo à dia nisy erreur javascript, dia avy eo lasa niverina in-4 le izy fa mba fafao ny sasany. Misaotra.
admin (14/07/2004 05:29:19)
tsy erreur javascript zany fa rehefa actualiser-nareo ilay izy dia miverina foana
kotso (15/07/2004 09:14:22)
tsara firindra sy firafitra, mambabo fo..... TSARA E!
arcane (15/07/2004 21:21:50)
Mombamomba
Mpanoratra : arcane
Nampiditra : arcaneDaty : 14/07/2004
Mpamangy : 1527
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Ny fitiaHo an'i malalako
Eritreritra
Kilalaon-teny
Miandry
Hisy
Maso mifanojo