ECCE HOMO - Ari Ira
Azo vakiana?
Iza? Iza ho'aho?
Iza, izaho?
Sa iza? lazao...
lazao raha sahy ianao
Mba iza loatra
no sahy mampitroatra
fitia toy izao?
Iza, iza ho'aho?
Iza, ianao???
Sa iza? Hainao?
Lazao raha fantatrao
Mba iza tamintsika
no sahy nampangatsika
ilay niaraha-nanafana?
Ah! tsy izaho,
miniana aho aminao
tsy avy amiko velively
ny antony nahavery
ilay kantontsika roa
izaho aza ity mba voa
Fa raha tsy izaho. Tsy ianao???
Ah! tsy ianao????
fa iza ary ? lazao
satria raha tinapaka ny lalana
ka voatery hiova andalana
tsy maintsy misy antony ao
ka iza ho'aho. Tsy ianao?
Ah, iny olona iny angamba...
Sokajy :
Ahiahy
Mombamomba
Mpanoratra : Ari Ira

Nampiditra : absolu
Daty : 05/01/2015
Mpamangy : 1356
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Kalo ho fanomezanaLisa Phanera, ilay tovovavy tiako
Marina ny fitiavako
ALINA MANGINA (anaran’ny tadidiko)
An'ialahy ny an'ialahy
Mba ...
Antso
Faniriko (Faniriako)
Superstition
Mitenena raha mbola tia