Ho anao (Ari Ira)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny avonavonao
sy ny hambohambonao,
tsy hitondra anao mankaiza,
tsarovy ry sakaiza
fa tsy mahavita tena ianao
k'aza mba mizahozaho!!
Aza tia midera tena;
fa mba hendre toa volamena.


Ny hoe tsara tarehy,
sy ny hoe bikàna anie
tsy ampy hamaritana ny olona!
Raha izy ary imorona.
F'ilay hatsaràm-panahy
fahamarinana voazaha
ahazoana sitraka sy telina
no tena maha-olombelona.


K'izao mba hafatro aminao
aza miavona toy izao
f'izany fanandratan-tena izany
an'ny olona ambany;
ny olombelona tontosa
fahaiza-miaina miavosa;
tsy aetrin'ny lazainy
fa akarin'ny ataony
tsy ny ho tsara no hirainy
fa fahendrena no rantoany....
--------
Rohy:
1255 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014