KANTO NY HIRAKO (Ari Ira)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Siatsiakam-borondolo manimbolo razana tsy tazana fa atsipin'ny habaka hanebaka ny teboka mamarana; famerana fisainana ho an'ny fiainana iray.

Hiakiakam-pamosavy misoavaly soa tsy avaly fa kaloina am-pijerena tsy laroina fanerena hahasoa azy ho marina; fa tsy hanarina ireo izay mamoy fo.

Tanisan-jaza bada lela milaza lazon-doza anaty feo malefaka; alefako ho an'ireo maheno saingy tsy mitady sofina, soratako ho an'izay hamaky saingy tsy mitady maso, atsipiko toy ny teny saingy tsy hitady velively ny fonao mahalala.

Ny hirako? fy ho an'ny hendry, fo ho an'ny adala....
tsy miandry dokanao f'efa kanto anatiny ao.
--------
Lien:
Catégorie : ahy
839 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014