Lainga Marina (Ari Ira)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry IZAHO,
Ao ambadiky ny anio izay nandrasantsika teo
no misy ny ampitso, hanova ny anio ho lasa omaly, ary hiova ho anio.
Ny anio no tena fiainana, rehefa sainina ny ampitso
Ny anio no tena fiainana, rehefa sainina hoe omaly
satria ny omaly dia anio vao nilaozana androany
ary ampitso dia ny anio antenaina mba ho avy,
ka dia iainana sahady...
Tsy misy ny fiainana!
Tsy misy ny anio.
Ny omaly no nisy, ny ampitso no hisy.
Ny tantara no mampisy ny anio.
Misy ny fiainana?
Fa tsy misy anefa ny tantara.
Ny tena anio mandrakizay
Ny mandrakizay sokafin'ny fahafatesana rahampitso,
ny fahafatesana no fiainana?
Aleo maty mba ho velona
Velona noho ny fahafatesana,
Maty ho amin'ny fahavelomana
Hiaina ny anio tsy ho omaly
Hiaina ny anio tsy hisy fanantenana izay ihavian'ny ampitso.
Ry IZAHO,
eo amin'ny fiainanao, tsy misy ny anio
fa ny ampitso no banjino, ny omaly aza adino
Arindrao ny tantara hisiany sy ny anio(...)
Tiava anao, dia aza tia ny hafa
na tiava ny hafa dia aza tia anao
fa ianao ihany no hafa
ny hafa ihany no ianao,
fitiavana sa fankahalana?
toa tsy hita izay iavahany
toy ny ampitso sy ny omaly
ny fahafatesana sy ny fiainana

Eisy e!!!!!
RY IZAHO,
Laingako daholo ireo


Hoy aho ilay ianao
hoy isika
--------
Lien:
Catégorie : ahy
1348 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145