You are here: home > Vetso

Nodimandry ilay Izaho - Ari Ira

Azo vakiana?

Fiainana tsizarizary, tao anaty tsy finoana,
nizotra tamin'ny aloky ny fahafatesana mahamay
nisosa tamin'ny herim-pirafesana nivay:
fiainam-poana tsy nanjary, ka aleo hohadinoina.

Tsy mba Zafy aho, tsy Mahefa.
Tsy mba Tiana, tsy Mampionona.
Tsy Andriana Tsy ory vanon-kolona,
fa fiaina-matim-belona efa nihararetra.

Velona ilay izaho fa maty, eo eo ambavahaona,
ny rindrim-pahalovana miandry azy, tsindrindaona:
hoe aleo alaina i Ari Ira fa mety ho azy angaha ny maty!!!

Ka nodimandry ilay izaho, nohadinoiko tsy hifoha,
ny fahafatesan'ny omaliko no hampitony, ho ahy, ny fo;
ary ilay izaho vaovao, efa hitsangana atsy ho atsy!!!