Ny Ako (Ari Ira)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toa satriko ihany handreny bitsibitsikao,
miantefa moramora
ao am-poton-tsofiko ao.
Fa toa manainga ny fanahiko
hamonjy ilay tontolony;
ilay toerany katsahiko
nihaniako efa im-polony
saingy tsy tongako hatrizao
raha tsy noho ny akonao....
Ari
"Fehezam-boninkazo ho an'i Ny Ako, mpanoratra, mpikambana ao amin'ny HAVATSA UPEM"
--------
Rohy:
Sokajy :
Namana