Ratra (Ari Ira)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rofy tera-dratra,
tora-drafy
tsy ho takatry ny mari-drefy.
Fitia zary latsa,
tena mafy,
asa ve hoe ratsy tefy?

Ratra tonga rofy,
tora-drafy,
ngidiny ho an'ny fo marary...
Fitia tonga nofy,
tena mafy;
takaitra no navelany, holatra mibaribary.

Rafy tera-drevy
tsara rova
tsy azo alahatra amiko, mafy ady be nofy.
Nofy tonga redy,
zary niova;
ratra makadiry, nitondra aretina sy rofy...
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana
1458 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144