Sary an-tsaina (Ari Ira)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sarisary an-tsaina no indro fa ho antsaina sy hiraina ho anao. Hanao ny nofinofy ho tonga rotsirotsy ho an'ny fanahy ka dia ho fanahy iniana ny hamadika ny ritsoka ho zary ditsoky ny misy izay manitsoka ny vatana vantany vao injay misokatra ho azy ny tontolo manontolony.

Hodinganina ny misy mba hampanjakana izay tokony ho nisy araka ny eritreritro voatefin'ny fanirianao, ka andeha hisidintsidina hivoaka any ho any hitety ny tsy misy hanafoanana ny misy- izay tsy hisy velively- ka andeha hohadinoina izy mba aha-to ny eritreritro sy ahatanteraka ny fanirianao.

Sarisary an-tsaina no andeha iaraha-miaina ny misy hafa kely noforonin'ny eritreritro ahafahako mamaly ny fanirianao. Fa faniriana hafakely tsy ho voavaly velively raha tsy hohadinoina aloa ny misy fa tsy misy mantsy eo aminy, ka angamba any amin'ny tsy misy no ahafahana mampisy azy, soa ihany aloa fa tsy misy eo amin'ny misy raha tsy izany dia ny hafa no efa nangalatra azy taminao.


Sarisary an-tsaina no enti-manafoana ity sorisorin-tsaina mila hanempaka ny aina. Hainao mantsy fa ny aiko no maratra raha ny ainao no maninona, koa maninona ary ianao no mbola miahiahy? F'angaha tsy efa nolazaiko taminao ry aiko fa na ny foko na ny saiko, eny ny fanahy sy ny fitiavana mba ahy dia efa anao izay ahy ary izay no andrandraiko ilay anao mba ho ahy. Ka dia andehanako hivoaka ny tontolo hitady sao mba misy any ho any ilay misy iray aha-to ny fanirianao, f'eto amin'ny misy toa tsy misy.




Sarisary an-tsaina no andeha iaraha-manomana ny ho avy tsy mbola misy fa afaka atao misy raha voafolaka ny misy ka ny sainao no mandamina sy mandahatra ny hetsika dia ny saiko no miketrika, ka vokarintsika ny hevitra hampisy ilay tsy misy ao anaty saintsika ao, k'izao d'izao ihany dia ho to ny nofinao. Fa nofy hafa kely tsy ho to velively raha tsy fehezina ny misy ahafahana manakona hoe tsy misy akory eo aminy amin'izay tsy ho tazan'ny hafa ny tsy fisiany ka iheverany fa misy ao anaty sahan'ny fifankatiavantsika, sady izay no tena marina. Satria tsy misy izy fa ny fitiavana no mampisy azy ary antoka iray mampisy azy anio na handrava azy rahatrizay, rehefa tsy eo intsony izy na hisompatra ny fasana ka hisokatra ho an'ny nofo izay misy lasa foana ary hamela ny fanahy hisidina eny ho eny, ivelan'ny fotoana!!!!
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1104 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015