Soa (Ari Ira)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Soa fa latsaka ny orana,
nanakotsa ny tavako
tsy nahatazananao
ity ranomaso mikoriana.
Soa ihany koa aho tsy torana...
Tsy nanorohanao ny vavako,
tsy nahatsapanao
ny tomaniko mangina.

Soa fa nisy tselatra,
nibetroka ny tany
tsy naharenesanao
ny fiefon'ny tomaniko.
Soa koa fa tsy nivelatra,
Izany hazavana izany
tsy nahatazananao
ireo mosoara maro laniko.

Soa ianao nitondra elo,
ahafahako mandinika
ny salovan-tavanao....
Tsinjoko ianao tsy malahelo,
na dia hoe nadinika
aza ireo tsara tsy natao.

Soa fa haiko ny namaky,
izay lazain'ity fijery
mipololotra imasonao.
Soa fa haiko ny hoe mahatanty,
mihazona ahy tsy ho very....
rehefa ilaozanao toy izao!!!
--------
Lien:
Catégorie : Fisarahana
1018 0
Commentaires
rakotoarisonmilantozeze ( 17/11/2014 11:54)
Ny hevitro de fisaorana ananareo pikarakara fa maminaritra no miaraka @ tonokalo malagasy
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143