VAVAKO HO AN'NY TANINDRAZAKO (Ari Ira)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry Rainay any an-danitra!!!!!!

Inoako marimarina fa tsy sitrakao,
ny mandinika izao
loza maro be
sy fahoriana be
mianjady, mitatao
aminay izao
fa misy antony ao.

Tsy sitrakao velively
ny mitazana, mijery
anay vahoaka Malagasy
hangaina sy hangasihasy
hiharan-doza be toy izao
fa tena misy antony ao
O ry Raiko, mba lazao.
Teneno anay izay sitrakao!!!!

Iza anefa no henoina,
iza anefa no hinoina,
amin'ireo tsy hita lany
misora-tena ho mpaminany
mampivavaka ny maro???
Efa tena mifangaro,
ka manahiran-tsaina anay Malagasy resy.
Mba avereno ho anay Mosesy...

Ry Rainay any ambony,
raha hoe tsy mendrika intsony
ny hamindrànao fo
izahay Malagasy
fa maditra, mafy loha....
Dia mba tsarovy iray minitra
ilay Lahitokanao natriatra
teo amin'ny hazo fijaliana
sy nizaka fahoriana.

Raha tsy diso ny finoako,
dia maty hisolo anay ny Tompo
ka iny rà nalatsany iny
no nanafaka ny tsiny
nampisaraka antsika
efa nilaza Izy hoe: VITA
Ka indro aho mitalaho ry Ray,
mba raiso ny fifonanay.

Raha ampitahaina amin'ny zanak'Israely
izahay Malagasy kely,
na ditra na hadalàna....
toa mitovy lalana nitàna,
nefa Ianao nanavotra azy
ka moa hahavatra hijery anay
raha miha-lo ny taninay?

Soloiko tena anio ny Gasy tsy ankanavaka
na kely na lehibe, na maditra na mpivavaka
hitondra eo anatrehanao an'i Madagasikara
na ny heloky ny ntaolo, na izay an'ny ao afara
aza hampaharetana ny fahatezeranao
fa raha misy iray mibebaka,
Raiko ô, mba avelao.
Satria haiko fa tsy sitrakao ny hijery
anay Gasy kely ho very
ka miangavy Anao 'zahay
mba mamelà ny taninay.....
Amen
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka - Tanindrazana
1600 2
Hevitra mandeha
endrika01 ( 05/08/2015 13:54)
Tsara lay aingam-panahy ! misaotra anao!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101