VENTSON'NY FO SARA-TIANA (Ari Ira)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Itondray lakana aho,
fa safo-dranomaso: tsy mahay milomano!
Tsy trondro aho ka ho velona ety,
fa olombelona mora milentika,
itondray lakana tsara fivoy
fa narian' Ikalatsimiarakamitsisivola,
diforin'ny onja mahery
sangian'ny antsantsa manaikitra.

Mba hamakio fefiloha any ho any,
hanariako rano mihandrona,
tsy tatatra aho ka itoeram-pako
tsy fasana fitoeram-paty
fa mba sokafy izay tokony itoerany
hisindan'ny ratsy nangeja
hihirako ilay fanantenana,
an-dRasoatsaramalemifanahy.


05-03-15 teo amin'ny zaridaina Analamahitsy
--------
Rohy:
1361 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135