Ho anao (arimalala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
izao tontolo izao
na tsara sady kanto
dia indro babangoana
raha tsy eo ianoa...

tiako hobanjinina hatrany
ilay endrikao izay mamiko
na ho levona aza ny tany
tsy ho ritra ny fitiavako!

ory loatra izany foko
irery lavitra anao
antenaiko anefa fa tsy ho ela
hifankahita izaho sy ianao

lavitry ny maso hono
ka lavitry ny fo
ianao kosa tsy izany
fa toa anilako hatrany
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - embona
1860 2
Mpakafy: lwange - mangamaso
Hevitra mandeha
zoky ( 17/04/2008 10:47)
Tsara e, mankasitraka hatrany, tohizo
maeva74 ( 07/08/2009 07:49)
Izay rehetra tsara loko , izay rehetra mamirapiratra, izay rehetra mahafinaritra dia zava-poana avokoa satria tsy eo ianao .

Misaotra aky ry Ari- malala an!
mpiserasera ( 16/08/2009 13:23)
Lafatra be ilay Aingam-panahy o ! Tena izany tokoa ilay hoe :Fitiavana ! Mankasitraka e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : arimalala
Nampiditra : ari.malala
Daty : 12/03/2008 06:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156