You are here: home > Vetso

Ianao - arimalala

Azo vakiana?

Ianao lay efa tiako
Ianao no nofidiako
Hotolorana fitia
Hiarahana doria

Ny fiainako tontolo
Raha mbola velona aho
Dia mbola ho tia anao
Hatrizay ka hatrizao

Tiako ho tsapanao satria
Toy izany aho rehefa tia
Tsy kilalao sanatria
Fa rehefa tia dia tena tia

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

endrika01 (08/08/2009 04:00:26)

i ari.malala> tena marina io akia,zany mintsy refa tia.

fahamarinana (09/08/2009 19:05:26)

Mahareta hatramin'ny farany hono akia ! Maro ny sakana,maro ny fisalasalana,maro koa ny fitsapana,maro ny mety ho tomany ,betsaka kosa nefa ny fotoana mamy : Ny fitambaran'izy ireo miaraka no maha-mamy sy maha-fy ilay Fitiavana ,ary rehefa tena sendra ilay tena tiana dia tena fatratra tokoa ! Tsy tohizako ny ambiny fa efa fantatry ari daholo ! :-)
kiss mamy njy
Faha

rijaeric (02/07/2016 18:04:57)

Miarahaba. Raha tsy diso aho natao hira io vers 2008 na 2009 teo ho eo. Tena tsara fa tsy tadidiko ilay titre sy ny mpihira. Ny clip misy vehivavy mitendry piano izay. Sao mba afaka atoronareo ny titre sy mpihira. Misaotra mialoha

Mombamomba

Mpanoratra : arimalala

Nampiditra : ari.malala
Daty : 07/08/2009
Mpamangy : 1272
Mankafy : 2

Tononkalo hafa

...
Pour toi mon amour
Ho anao
Raha...
tiako ianao rahavako
lavitra
lasana
raha izay...