lasana - arimalala
Azo vakiana?
dia lasana ianao
lasa ka nandao
nandratra ity foko
izay vonton'ny toloko...
lozanao ry tany
fa natelinao any
ilay mba hany havako
mba hany fitiavako
hiezaka aho hionona
ary koa tsy hanonona
tsy hitanisa intsony
irony lasa irony
hivavaka aho hahery
hahay hizaka irery
ny ngidin'ny mafaitra
sy mafy izay tsy laitra
ny hany faniriako
hiverina ny hafaliako
ho solon'ny tomany
natolotrao ry tany
Sokajy :
Alahelo, Fahafatesana
Hevitra mandeha
ANARIM (31/01/2008 13:02:32)
mahereza akia malala a! any izy tsy manadino na d lasana aza, mbola iverina. Oroka mamy b ho anjiko.
ari.malala (01/02/2008 06:23:28)
Mombamomba
Mpanoratra : arimalala
Nampiditra : ari.malalaDaty : 23/01/2008
Mpamangy : 1331
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
...Ianao
Pour toi mon amour
Ho anao
Raha...
tiako ianao rahavako
lavitra
raha izay...