Ny alina amiko. (Arisons)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny alina amiko.-Ao no ahatsapako.
-Ao ihany koa ny halalako.
-Fa tony atreo ny saina.
-Iny miandry indray ilay fiavin'ny maraina.
*Ao anaty ny alina mangina.
*Mako no haiko fa ahitana fitsaharana.
*Ny nofo efa reraka ny adim-piainana.
*Sy vatana toravana ny fisasarana.
-Anaty ny alina mako mazana.
-Noho mba famerenana izany aina.
-Sy natao ivisana ireo etaetam-paniriana.
-Ary koa hitadiavam-pilaminan-tsaina.
*Satria ny rehetra ao aminao ry alina mangina.
*Dia fitonian'izao rehetra izao.
*Mba hanantenaina indray fifaliana.
*Ny ampitso maraina efa miandry ao.
Arison, 30-06-2025
--------
Lien:
