Mitsiriritra. (Arisons)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mitsiriritra.
-Manaiky aho fa sarotra ny hitia anao iny.
-Ekeko hoe nofinofy fotsiny ny ahy.
-Sa ve izany ilay mitia tsinahy?.
-Ka ny ho avy mivadika ho fahiny!.

*Manaiky aho fa mitsiriritra no azo atao.
*Raha anantena ny amiko ho tianao.
*Satria ianao lafo vidy tsy takatra.
*Fa zanak'olona manana sy tonga lafatra.

-Eny e! ataoko fa nandaitra loatra.
-Ny faniriako anao anaty efa mitrĂ´tra.
-Te hiriaria ny ho tompon'ny fony.
-Nefa tsy takatro ny volana omena anao eny ambony.

*Fa ny azo atao dia aleo mitia anao mangina.
*Na mafy aza misaina hoe tsy tafita ilay fanirina.
*Fa tsy natao hiara-dia mako isika.
*Mitovy ny hafanana sy hatsika.

Arison, 25-07-2019.
--------
Rohy:
169 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Arisons
Nampiditra : Arisons
Daty : 14/01/2026 07:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0123