Titra fotsiny. (Arisons)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Titra fotsiny.-Ankehitriny, mitamberina ato an-tsaiko.
-Ireny tantara tsy fanadino maro ireny.
-Sy ilay novetsona ho silaky ny aiko.
-Niriako mba ho tononina ho Neny.
*Nefa indrisy mantsy niafarany.
*Fa toa titra nindramina fotsiny ihany.
*Atramin'ilay nantsoiko ho vady.
*Fa toa saika nampivarina ahy tany an-kady.
-Ka mafy loatra amiko amin'izao no misaina.
-Hoe ny alina iainako ve mbola haraina.
-Hanorenako an'ireo lasa tsy niety rehetra.
-Ary hanadinoiko ny fijaliana mbola mitoetra.
*Hiezaka aho na dia tsy nodigninao aza.
*Ireo fikirizako taminao natao tohatra.
*Dia manaiky aho fa izay no lahatra.
*Fa titra fotsiny ny antsika efa hita tsy misahaza.
Arison, 11-03-2025
--------
Lien:
Catégorie :
Anjara - Lahatra - Diso safidy - Embona - Ahy - Fahatsiarovana - Alahelo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
