Tsiky indray nitompy. (Arisons)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsiky indray nitompy.-Toa jary lasa namela aina ho ahy.
-Tanatiko,ilay tsikinao iny tsy nitoetra fa nandalo.
-Izay nandrotindrotika; tanaty foko sy fanahy.
-Ka indrisy ! dindonao sisa tavela ho ventsoko, anaty tononkalo.
*Mamy na dia niserana fotsiny ihany aza.
*Ilay tsikinao iny izay nitaratra ny foko.
*Tsy hamikitra fa hianoka, ary anambara sy hilaza.
*Fa ny diantsika hisampana ka mampihaona tsy hitoloko.
-Nefa ny masoko nitompy nanaradia anw foana.
-Ary koa anantena hoe mbola hoavy ilay fotoana.
-Hihaonantsika indray satry ny foko tsara paompy.
-Tavela sy babonw noho ilay "Tsiky indray nitompy".
Arison
--------
Rohy:
