Tanaty segondra. (Arisons)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tanaty segondra.
-Tsy haiko loatra mamaritra azy.
-Hoe manihany ve aho sa mivazivazy.
-Ny foko vetivety eo tehitampify anilanao.
-Ary tehizara sahady teny hoe tiako ianao.

*Nefa tsapako na dia segondra aza.
*Noho nahafantarako anao iny.
*Dia ny foko efa te hiriaria sy hilaza.
*Tena babonao aho ohatrany efa ela faniriny.

-Ka tsy haiko intsony ry tiana no hitahiry.
-Anafina ilay fitiavako anao ao anatiny.
-Fa mandoro tsy zaka sy mamirifiry.
-Ka raha sitrakao dia valio fa efa resinao fisiny.

Tiako ianao.....✍️
Arison✍️
--------
Lien:
Catégorie : Ahy - Aingam-panahy - Fitiavana
73 1
Fans: Azrael666
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0126