Reny Malagasy (Bob Ramanamiravaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Reny Malagasy ianao
Mitsangana dieny izao
Ndao atambatra ny hery
Izay misaraka dia ho very


Reny Malagasy avia
Mitsangana hiara-dia
Fa ny tanindrazantsika
MIla anao mba ho tafita


Koa mitsangana andao hiaraka
Ny herintsika ndeha atambatra
Reny môdely sady filamatra
No sady tsy miady no tsy mifandramatra


Ny firenena imasoana
Ny tokan-trano ijoroana
Adidy maro no iantsorohana
Hitsangana isika haneho fahavononana


Vonona , vonona ,vonona hampandroso izahay
Vonona , vonona ,vonona ny herinay atambatra ho iray



Reny Malagasy ianao
Ampitao izao hafatra izao
Fa ny reny rehetra eran-tany
Tsy misy ambony sy ambany



Mitongava isika hiaraka
Hifanolo-tanana tsy hisaraka
Fa ny reny Malagasy
Tsy manavaka kilasy .





B. Ravaka
--------
Rohy:
166 1
Mpakafy: tanucus
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Bob Ramanamiravaka
Nampiditra : bobramanamiravaka
Daty : 11/02/2016 00:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0635