You are here: home > Vetso

Tsiaro - Boyanjah.RZ

Azo vakiana?

Tsaroako anio indray ,ilay olona nambabo fo
Ilay nilazako nofinofy sy faniriana tao am-po
Ilay namborahako fitia ,tsy mba nisy tebiteby
Nizarako tenimamy ,lavitry ny rediredy

Ankehitriny ry malala,anaty sento lalina aho
Mamentsoventso ny fahiny,ka mitomany mitalaho
Fa efa tsy hita intsony ianao ,fa nandao ts an-tsitram-po
Namela ahy hiady irery,namela tsiaro ao am-po

Any ianao izay lay tiako,any lavitra tsy hitako any
Tsy fantatro raha nanadino,na  koa mba mahatsiaro ihany
Sa efa manan-tompo ianao,ka dia namafy ny taloha
Fa za dia tokana ihany,fa mbola miandry anao hamoha
©

Sokajy : Fisarahana, Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : Boyanjah.RZ


Nampiditra : Boyanjahnah
Daty : 23/04/2017
Mpamangy : 1033
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Ray O
FITIAVAN-JAZA
EMBONA LALINA
Mandria ampiadanana
TSY AFA MANOATRA