You are here: home > Vetso

FITIAVAN-JAZA - Boyanjah.RZ

Azo vakiana?

Niezaka aho nitia anao
Ilay zazakely vao omaly
Neverinao ho kilalao
Ka tsapako ianao fa faly
Hitako fa zava-poana
Ireo tenimamy omeko anao
Nanjary fandanim-potoana
Fa tsisy dikany aminao

Fitia tsy misy fihetseham-po
Fa toy ny an'ny mpianakavy
Tsy misy hetahetam-po
Tsisy diniky ny ho avy
Miresaka toa mpianadahy
Tsy misy na dia safosafo
Veloma ra fankampanahy
Fa ny anay vidiana lafo

Sokajy : Fiononana, Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : Boyanjah.RZ


Nampiditra : Boyanjahnah
Daty : 19/07/2017
Mpamangy : 674
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Ray O
EMBONA LALINA
Mandria ampiadanana
Tsiaro
TSY AFA MANOATRA