You are here: home > Vetso

EMBONA LALINA - Boyanjah.RZ

Azo vakiana?

Indray takariva izay
Diavolana mangina
Tsaroako tamin'izay
Izaho nilaozan'olontiana

Ny diavolana baliaka
Dia mampanembona hatrany
Mamoha ny efa lasan-tsika
Ka mampilatsaka tomany

Ny rivotra mitsoka moramora
Toa tananao manafosafo
Maneso sady manankora
Ilay maso voton-dranomaso

Ny vorona mamerovero
Vao mainka tena mampatsiahy
Tsaroako ianao nalahelo
Nandeha nanao Veloma ahy

Ireo hira milantolanto
Tena hatsiarovako anao
Injao reko manakoanko
Ilay teninao hoe" TIAKO IANAO"

Mombamomba

Mpanoratra : Boyanjah.RZ


Nampiditra : boyanjahnah
Daty : 06/07/2017
Mpamangy : 817
Mankafy : 2

Tononkalo hafa

Ray O
FITIAVAN-JAZA
Mandria ampiadanana
Tsiaro
TSY AFA MANOATRA