Mandria ampiadanana - Boyanjah.RZ
Azo vakiana?
Raozy kely efa malazo
No indro tazako eo anilanao
Io ilay solom-boninkazo
Mba hatsiarovako anao
Voninkazo mitahiry,
ny lasan-tsika hatrizay
Ilay fitia vao nitsiry,
nirina ho mandrakizay
Kanefa indrisy amin'izao
Nofinofy sisa ireny
Fa ianao lasa nandao
Ka namela ahy hiady irery
Nandao ny tanim-pijaliana
Niova tontolo vaovao
Andeha hiaina ampifaliana
Hiaina fiainam-baovao
Io FASANA io irery sisa
No hany hahitako anao
Ka eto no mamisavisa
Ilay voady izay natao
Mombamomba
Mpanoratra : Boyanjah.RZ

Nampiditra : boyanjahnah
Daty : 06/07/2017
Mpamangy : 1001
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Ray OFITIAVAN-JAZA
EMBONA LALINA
Tsiaro
TSY AFA MANOATRA