You are here: home > Vetso

Ray O - Boyanjah.RZ

Azo vakiana?

Ray ô!! avelao fa diso ity maditranao
variana sy mania,tsy mahalala izay atao
Tsy mahalala akory izay hiafarany
Fa maka mamy loatra ity fiainan-tany

Ray ô! Tsy mendrika akory ny hiantso anao
Kanefa re ry Tompo ô! miangavy mitalaho
Aza tsaroana akory ireo ratsy izay niniana
Ka aza ariana re e!! raha tojo fahoriana

Ray ô! maniry fatratra aho ny mba ho diovinao
Hiova sy handao ,ireo ratsy izay fanao
Fa kosa mba iandrandra ilay fiainana any ankoatra
Tsy iandry any aoriana ,fa ndrao ho tara loatra

Sokajy : Aingam-panahy, Vavaka

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Boyanjah.RZ


Nampiditra : boyanjahnah
Daty : 01/10/2019
Mpamangy : 136
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

FITIAVAN-JAZA
EMBONA LALINA
Mandria ampiadanana
Tsiaro
TSY AFA MANOATRA