nofy mila hezaka (cedarf)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tamoron'iny ony iny aho no lasa vetsovetso,
nikatroka ny ngidin'ny fisainana mahory,
nanakatra hevitra avo tsy vitantsentosento,
tsy hita anaty nofin'ny kamo sy ny tory.

Ato anaty tolona mandefa nofinofy,
Tsy haiko loatra ny hino zay any andanitra any
Izaho tsy mbola tany, sady tenako farofy;
Aleoko zaho ho velona raha mitovy ny eto ny any.

Raha ny kely ananako no ndeha atao fanatitra,
Lazaina fa an'ny tompo kanefa azy ny harena,
ho ahoany va ny kely antanako, tsy haharitra?
Aleo ny kely ananako omeko zay onena.

Kanefa izaho onena, napotraky ny tany,
Mandefa vetsotso mitady fitoniana,
Mahatsapa tsindry ila sy tsy rariny aoka zany
Dia maneo tsiky mora mba tsy hitomaniana.

indray andro angamba, any mbola ho anilako
ny nofiko amin'ny endriny azoko tsapaina,
dia ho azoko hianteherana fa ho tody izany diako
hiaradalana amiko amin'ny làlana hombana.

f'ianao ry nofinofiko, androany aloha meteza!
hitsidika ny torimaso adalako anaty sasakalina;
hampiaina indray miserana ahy tsiky tsy mateza
fa ny andro mbola ho avy, ho tanteraka, hitoetra anaty lalina.
--------
Rohy:
118 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : cedarf
Nampiditra : cedarf
Daty : 18/02/2025 03:31
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0235