Aleveno velona (Dah Nex)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aleveno velona

Kajy tsy mazavazava 'lay resaka fakana an-keriny,
Fa misy any ho any jiolahy, jiolahy ambony latabatra.
Fitaovana mahery vaika no vatsiany hanehoany ny heriny,
Dia ny samy Tsimbotry, 'reo no am-piadiana hifandramatra.


Loza ny manjo ny tany,kotaba isan'andro no re,
very fanahy mbola velona toy ny valala voatango.
Raha fandriampahalemana izany, tsy misy ao Anjozorobe
Ka ny atidoha izay mikotrika tokony atao hazalambo.


Ampiharo ny sazy mamay: DORY na ALEVENO VELONA,
F'ireny no tena fahavalo, mpamotika ny firenena.
Io raha alefa any am-ponja dia mbola hahavita tonelina.
Iray amin'ireo ihany no izy; ireo no tena ekena.


Ain'olona efa nilatsaka, ny ratra any ambadika tsy hay,
Ny tompo-manjo amin'izao ory sy mangasihasy.
Alahelon'ireny mitoetra, ny todiny tantazo indray.
Fa ny fanontaniana mipetraka: an'iza tokoa moa ilay basy?
Izay nandatsaka ny ain'ny Gasy?


#Dah_Nex
03ora: 55min:45s ( hariva) / Ambalakisoa -Andramasina
--------
Rohy:
17 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Dah Nex
Nampiditra : DahNex
Daty : 29/03/2026 10:56
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0117