Atsipy (Dah Nex)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
>>>>>>Atsipy
Rehefa mandainga amin'ny zavatra atao
dia mihalava ilay orina,
fomba tsotra kely no atoroko anao
izay tsara tononina.

Aza manaratsy ny namana izany
'zay fomba tsy mety,
ny fahasamihafana: harena eto an-tany
fa mba fetsifetsy.

Ny tody tsy misy ny atao no miverina
mba mailomailo,
Ka zavatra tsara sy mamy heverina
Ataovy dia saino.

Lanio amin'ny tsara ny fotoananao
f'izy io lafo vidy,
ahatonga ny tena ho be kalitao
tsy hisotro mangidy.

Velomy foana ny fanantenana
aza avela ho faty,
Ka na inona sedra sy fahabangana
Ezaho mba ho tanty.

Banjino ny tanjona dia mikeleza
hanatratra izany,
mety ho mafy sy tena ideza
f'iareto hatrany.

Rehefa itsambikina, vikin'alika
no tsara aranty,
Aleo mihoatra ny zavatra vita
toy izay tsy ampy.

09 Febroary 2026
10:00 maraina-- Mandrangobato
Dah Nex
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - Fananarana
12 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Dah Nex
Nampiditra : DahNex
Daty : 29/03/2026 10:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0135